Toko 1: Taiza no niatomboka ilay tantely amam-bahona

Vintana sa anjara Toko 1

17 aogositra 2018, andro somary hafa kely androany satria mivaly ny Bacc. Eto Ankazomaniry, vitsy ihany ny ankizy nanala io fanadinam-panjakana io. Noho izany, mifankafantatra daholo izahay nanala Bacc teo. Io hitako mijery eo amin’ny tabilaon’ny lisea io daholo ireo ankizy nanala io fanadinana io. Avy lavitra dia hitako fa efa misy mioraka ny sasany. Efa mivaly izany hoy aho ny fanadinana. Lasa natahotra aho nanantona ny tabilao. Inona marina moa izany no handeha ho hataoko amin’izay raha sendra afaka aho? Ary, raha sendra ny tsy afaka, mbola ho sahy ho ao an-trano ve aho? Ny ao an-trano rehetra ity mametraka ny tokiny hoe izaho no ho avin’ny fianakaviana. Tsy mbola nisy tahotra toy izany tamin’ny fiainako. Sahalan’ny totofana vary amin’na kilao maromaro aho ka lasa miha-mavesatra hatramin’ny fikisahan’ny tongotro. Vao dimy ambin’ny folo taona ve dia efa izao sahady ny tsindry mahazo ahy. Sarotra ihany ilay lehibe raha izany ny marina. Hitako i Dada no efa fotsy volo sahady hoy aho an’eritreritra.

Lalàna zara raha nisy zato metatra teo ho eo dia efa ho fahefak’adiny no nanaovako azy. Nohon’ny tonga teo amin’ny tabilao aho dia ny soratra « néant » no hitako betsaka indrindra. Mbola nijery na marimarina kokoa mbola nitady ny laharako aho no indro rehako nisy olona nikapoka ny soroko sady niarahaba ahy.

– Arahabaina elah, izay no feo reko sady mafy no avo.
– Manao ahoana Ramose, no tonga dia navaliko.

Hitako fa ilay mpampianatra Malagasy anay no niresaka tamiko. Olona sariaka sady mahay mampianatra i Ramose Bekoto. Izy io no tena nahaizako sy nahafahako nankafy ny tena hoe teny Malagasy.

– Fa ahoana Ramose?
– Angaha mbola tsy hitan’ialahy hoe afaka miraka amin’ny mari-pankasitrahana elah!
– Aiza akory Ramose a?

Dia nampisehoany ahy ny anarako teo amin’ny lisitra. Teo amin’ireo nahazo mari-pankasitrahana manokana no nisy ahy. Faly hafahafa izay no nahazo ahy. Tsy hitako izay natao. Tonga aho dia nizotra nakany an-trano. Tsy norarahiko intsony ilay Ramose sy ny resany teo. Nataoko veloma haingana izy dia iny aho no lasa.

Teny an-dalàna dia tsy nisy hitako intsony ny olona. Maika ery aho handeha hiteny an’i dada sy Neny hoe afaka aho. Vetivety dia tonga tany an-trano. Mbola tsy nisy tao izy rehetra fa mbola tany an-tsaha daholo angambany. Naleoko aloha nitsotsotra kely teo ambony fandrihana mba nahafahako namisavisana amin’izay hoe inona no hataoko. Nahazo diplaoma manokatra amin’ny anjery manontolo izao ity ny tena dia hanao inona tokoa amin’izay moa? Tsy dia tokony hanonofy firy fa eto izany no mifarana ny fianarana. Fantatro fa tsy manam-bola handefasana ahy any amin’ny anjery manontolo izany ny fianakaviako. Ny ho hanina isan’andro aza ity efa mahavaky loha azy ireo koa vao maika ve ny handefa ahy any amin’ny tany tsy misy olom-pantatra any ny zanany. Satria tokoa mantsy any Antananarivo vao misy izany ivo toerana izany raha ny akaiky indrindra anay. Ary vola betsaka vao afaka hamitana fianarana na dia eny anivon’ireny fampianaram-panjakana ireny aza.

Ho hita eo rangahy izay anjara sy vintana ho entin’ny ho avy f’aleo aloha hiravo. Avy eo indray miverina amin’ny anjaran’ny tambanivohitra toy ny tena, tsy mitovy zo amin’ny rehetra. Avo tokoa mantsy ny lanitr’i Gasikara ka ny maro an’isa indray no tsy voatsinjo. Efa ela koa no tsy nanonofy izany fianarana ambony izany. Raha be indrindra, ho mpampianatra FRAM no hantenaina. « Iza tokoa no niteny anlah hoe tongava tambanivohitra eto Madagasikara eto ry Setra? Rehefa izay ny vintana sy anjara dia mahaiza mionona rahavako », hoy aho anakam-po.

Somary hariva i Dada sy Neny ary i Soa kely zandriko vao tonga tao an-trano. Miramiran’endrika izy ireo nahita ahy. Tonga dia nivoaka nitsena azy ireo koa aho.

– Faly aho lesy zanako fa tafita ialahy ity, hoy Dada tonga dia niteny voalohany.
– I dadatoanareo avy ao andrefana no niteny anay teny an-tsaha, hoy i Neny nanohy ny teniny, mahay le zanako e, ianao no ho reharehan’ny fianakaviana!
– Aoka Dada sy Neny a, zavatra tsy misy dikany iny ary tsy vita raha tsy nisy anareo
– Koa ahoana mihintsy aho no tsy ho faly ry zanako? Ialahy ange hono no tsara naoty indrindra teto Ankazobe sady nahazo izany « mention » izany e. Zanak’i Lendriana mpanefoefo aza tsy nahazo izany. Ambonin’izany ialahy no zandriny indrindra amin’ireo mpiadina teto an-tànana sy ny manodidina.
– Misaotra ry Dada amin’izany teny izany. Tsy mbola reko niteny ohatra’izany tamiko i Dada raha tsy izao, ka izany no vao maika nanindry ny foko ka saika nahalatsaka ny ranomasoko.
– Izahay koa anaka tena faly sy afaka mirehareha amin’izany zavatra vitan’ialahy izany, hoy i Neny nanampy tosika.

Ny zandriko kely, i Soa, amin’io tsy mitsahatra ny mangata-maso aty amiko. Na dia efa lehibe aza izy, efa ho telo ambin’ny folo taona dia be tsy miteny izay. Sariaka nefa somary menamenatra izay ihany koa izy. Ny tena mampalahelo ahy dia izaho ity mifaly hoe nahazo izany Bacc izany, nefa ny zandriko na T1 aza tsy nodiaviny nohon’ny tsy fisiana sy ny foto-pisainana somary tsy manome lanja firy ny fianaran’ny vehivavy aty amin’ny tontolo Ambanivohitra. Ny tao an-dohako hoe tsy maintsy tafita aho, ary ny zandriko tsy maintsy vitako ny manome azy fiainana tsara ho takalon’ny fiafiana nataony mba nahazoako nianatra.

(Tantara mitohy…)

 

By Andria D
Raha hijery ny tohiny dia afaka mandeha ao amin’ny sokajy Vintana sa Anjara

%d blogueurs aiment cette page :